BT Arise - шаблон joomla Joomla

www.aro.mg

Asa tagnamaro

Ny Tale Jeneralin'i Assurances ARO, Andriamatoa Patrick ANDRIAMBAHINY no nitarika ireo mpiara-miasa
nanatanteraka ny TAGNAMARO omaly 18 Mai 2019.
Teo amin'ny Trano Fitaratra ARO Ampefiloha no nanatanterahana izany.
Tsy nijanona teo ihany anefa fa nodiovina koa ny toerana hafa ampitan'io Trano Fitaratra io.
Tamin'ny fandraisam-pitenenana fohy nataon'i Tale Jeneraly no nanentanany ireo mpiara-miasa aminy fa "andraikitra lehibe ho fanompoana ny firenena izao atrehintsika izao. Fanombohana ihany izao fa hifanome fotoana indray isika afaka iray volana sady fotoana ankatoky ny fetim-pirenena rahateo izany".
Koa dia afaka iray volana indray izany mifankahita e !
Lu 626 fois
Dernière modification le lundi, 03 juin 2019 04:07